ALAHADY 02 FEBROARY 2025
Feon – java - maneno
FANATREHANA & FIDERANA NY TOMPO
Salamo 71
Hira : 202 ("Ry Ray malala ô")
1. Ry Ray malala ô!
Mba raisonao
Ny haja entiko
Hidera Anao
Ny fitiavanao
No mamiko izao
Izaho dia Anao
Ry Raiko ô!
2. Ry Jeso tia ô
Mpanavotra,
Ta-hankalaza Anao
Ny vavako;
Ny avo-dehibe
Manafaka ahy e
Izaho dia Anao
Ry Jeso ô!
3. Fanahy Masina ô!
Mpananatra
Mahiratra tokoa
Ny masoko,
Mazava re izao
Ny lalako hankao;
He! Fifaliam-be
No ahy ‘zao
- Vavaka
- Feon – java - maneno fohy
SITRAPON’ ANDRIAMANITRA
Mpitarika : (Vavaka fifonana)
Fiangonana : « Ry Rainay be famindram-po ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ; sasao izahay ho afa-keloka ; ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo anao. Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »
- Hira : Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesoa Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !
Mpitarika : (Teny famelan – keloka)
Fiangonana : AMEN
Mpitarika : Voninahitra Any Amin’ny Avo Indrindra Ho An’andriamanitra
Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
- Hira : 54, and. 1, 4(" Jesosy Mpamonjy")
1. Jeso Mpamonjy, Ilay Tompon’ny aina, no hita
Nidina teto an-tany hamonjy antsika :
O, mba derao
Izy Mpanavotra anao
Ka mifalia ry mino !
4. Tonga ny Tompon’ny tompo hisolo ny ory,
Ka mifohaza ry olona mbola matory !
O, mba derao
Amin’ny feo vaovao
Jeso, Ilay Tompo mahery !
- Feon-java-maneno fohy
- Hira : 210, and. 2, 4 ("Maizina izahay, kely fantatray")
2. Maizana izahay, kely fantatray,
Nefa ao ny teninao:
Jiro sy fanilon’ny tongotray
Hankanesa Aminao
Iravoanay sns…
Fiv :
(Feo voalohany)
Iravoanay
Fa harena be
(Feo faharoa)
Soa tsy manam-paharoa
Ny fitsipikao
Iravoanay fa harena be
Sarobidy tsy hafoy
Izany didinao
(Feo rehetra)
Famonjena ho an’izay mandre
4. Fifalianay, odi-tahotray
Ny Baiboly taminao:
Avy ny manjo, nefa kosa, Ray
Ao tokoa ny tavanao
Iravoanay sns…
Mpitarika : Ho aminareo anie Ny Tompo
Fiangonana : Ary ho amin’ny fanahinao
Mpitarika : Vavaka fitsilovana
- TESTAMENTA TALOHA Mika 3
Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny? 2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany, 3 Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena. 4 Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo. 5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina: 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin'] 9 Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra, 10 Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana. 11 Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika. 12 Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
- EPISTILY : Hebreo 2, 14-18
14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly, 15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. 16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny. 17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. 18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [* Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]
- FILAZANTSARA: Lioka 2, 22-40
22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo 23 araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2) 24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8). 25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. 26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; 30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, 31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao. 33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy. 34 Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina 35 ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro. 36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy, 37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina. 38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema. 39 Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany. 40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.
Fiangonana : Isaorana Anie Ny Tompo noho ny Filazantsara !
FANEKEM-PINOANA
- Hira : 458 and.1, 3, 4 (“Tompo Tia o, midina")
1. Tompo tia ô, midina,
Mitoera aminay,
Ka fenoy fifaliana
Ao anatin’ny fonay !
Ianao, ry be fiantra,
Tomponay mpamindra fo,
No mpamangy ny mahantra,
Ka midira ao am-po !
3. Ny mpanomponao ampio
Mba handraisany Anao,
Aza afoy fa mba tahio,
Aoka ho tempolinao !
Ianao no hotompoinay,
Ry Andriamanitra,
Ianao no hoderainay
Hatrary an-danitra !
4. Tanteraho ao am-ponay
Ny fiainana vaovao,
Ny fanahy sy ny sainay
Mba fenoy ny herinao !
Amboary sy havaozy
Isan’andro izahay
Mandra-pahatonga any
Aminao mandrakizay !
T O R I T E N Y
- Feon-java maneno fohy
- Antoko Mpihira
- Filazan-draharaha
- Rakitra
- Hira : 499, 18, FF34, 471
Fanolorana :
Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an - tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao, Amena.
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
- Hira : 506,and. 1 sy 3 ("Tsy misy miadana ka afa-po")
1. Tsy misy miadana ka afa-po
Izay monina eto an-tany;
Fa izay tia sy mino ny
Tompo Jeso
No hahazo ny soa tsy lany.
Fiv : Mba irio, mba irio
Ny hananana an’i Jeso.
3. Izao maniry hanaraka
Anao,
Ry Tompo Mpanafaka ota!
Fa fantatro tsara hatramin’zao
Ny fitiavanao ahy mpanota.
Mba irio, Mba irio,
sns…
Mpitarika : Ho aminareo anie Ny Tompo ! Aoka hizara ny Fiadanana isika
Fiangonana : - HO AMINAO ANIE NY TOMPO !
- ARY HO AMINAO KOA
- SursumCorda (Mitsangana)
Mpitarika : Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo
Fiangonana : Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
Mpitarika : Aoka hoderaintsika ny Tompo Andriamanitra
Fiangonana : Mendrika Hoderaina Izy
- Préface (Mitsangana)
Mpitarika : Eny tokoa Tompo ô, Ray Masina, Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra, mety sy mahavonjy ny isaoranay Anao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra amin’ny alalan’iJjesoa Kristy Tomponay, izay tia anay sy nanolo-tena hamonjy anay ; amin’ny alalany koa no ideran’ny anjely ny fiandriananao sy itsaohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra anao amin’ny tahotra ary iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny anaranao amin’ny fihobiana ary izahay koa ankehitriny miara-manandratra ny feonay aminy, ka amin’ny fanajana lehibe no ideranay hoe :
- Hira : Antema 1 ( Sanctus)
Masina ! Masina ! Masina Jehovah Tompo ! Feno ny voninahitrao izao rehetra izao ry Tompo ô ! Amena
- Vavaka ( Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse) (Mipetraka)
Mpitarika : Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’ i Jesoa Kristy Izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr’ Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara - misaotra sy hivavaka :
Misaotra Anao izahay Andriamanitra Rainay, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa noho ny famindram-ponao aminay mpanota mahantra, dia nomenao ny Zanakao Tahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
Fiangonana : Efa maty Kristy, efa nitsangana Kristy ary ho avy amim-boninahitra.
Mpitarika : Noho izany ry Tompo, Rainay any an-danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany tamim-boninahitra sy ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.
Fiangonana : Amena, Avia Jesoa Tompo !
Mpitarika : Ankehitriny, Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay ka handraisanay tokoa ny Tomponay amin’ny finoana velona amin’izao Izy manatona anay amin’izao fanasana izao. Fa ny Fanahy Masina no aharianao, amelomanao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra.
Fiangonana : Amena, Avia Fanahy Masina !
Mpitarika : Misaotra anao izahay Ry Jesoa Kristy Tompo ô ! Midera ny Anaranao izahay Ry Zanak’Andriamanitra Lahy Tokana Mpamonjy anay ! Hankalazaina anie Hianao noho ny fitiavanao izay mahery noho ny fahafatesana.
Ary izahay izay tonga eto anatrehanao hiombona amin’ny latabatrao dia mangataka mba hampiraisonao Aminao, ohatrin’ny sampana amin’ny voaloboka. ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay, ary aoka izahay hiara-manana amin’ny fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana Aminao, dia Hianao izay miara-manjaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Fiangonana : AMENA !
- Teny Fanorenana & Fanamasinana (Mitsangana)
Mpitarika : Jesoa Kristy Tompo tamin’ny alina izay namadihana azy dia nandray ny mofo, ary rehefa nisaotra Izy dia novakiany ka hoy izy :
« Raiso, hano, ity ny Tenako izay omena ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
Ary toy izany koa ny kapoaka rehefa nihinana, dia hoy Izy :
« Misotroa amin’ity hianareo rehetra, fa ity no rako dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny rehetra ho famelan - keloka. Koa na oviana na oviana no misotro hianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
Misaotra ny Ray, izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava. Amena.
Hira : 117 (Agnus Dei)
1. O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory, voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao,
Ka maty re ny ainao !
Mba iantrao izahay, ry Jeso !
3.O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao
Ka maty re ny ainao !
Ampiadanonao izahay re !
Mpitarika : Efa nandray ny Fanahy maha-zanak’ andriamanitra antsika isika, koa izany no hahafahantsika manatona ny Ray hoe :
Fiangonana : (Vavaka nampianarin’ny Tompo)
Mpitarika: Ny mofo izay vakiantsika dia firaisana amin’ny Tenan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika dia firaisana amin’ny ran’ i Jesoa Kristy Tompontsika.
Hoy ny Tompo : Andeha, efa voavotra avokoa ny zavatra rehetra !
- Fandraisana : 511, FF 10, 480, 470, 465, 487
- Teny fampaherezana (mitsangana)
Mpitarika : Jesoa Kristy Tompontsika izay voahombo tamin’ny hazofijaliana ka nitsangana tamin’ny maty no efa nanome anareo ny Tenany sy ny Rany izay nanavotany anareo tamin’ny fahotana rehetra, Izy anie hampahery sy hiaro anareo amin’ izany amin’ny finoana marina ho fahasambarana mandrakizay. Ho aminareo anie ny fiadanana !
Fiangonana : Amena
- Hira: 266 (« Ry Jesoa Tompo Hianao »)
1. Ry Jeso Tompo, Ianao
Isaorako tokoa izao ;
Ny ranao sy ny tenanao
No nihinanako izao !
2. Ry foko faly ambarao
Ny soa azonao izao !
Jesosy monina ao am-po,
Endrey ny hafaliako !
- Vavaka fisaorana & fangatahana
Hira : 331 (“Mba soraty ao am-poko”)
Mba soraty ao am-poko,
Jeso, ny Anaranao !
Mba arovy tsy haloto
Ny kasen’ny tananao.
Hianao, Jesosy ô,
No ho voninahitro !
Hianao, ry Voahombo
No Mpanjakako sy Tompo !
Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo.
Fiangonana: Ary ho amin’ ny fanahinao.
Mpitarika: Tsodrano
Fiangonana: Amena ! Amena ! Amena ! Haleloia !
(mipetraka ny Fiangonana)
VAVAKA MANGINA
Mpitarika: Voninahitra ho an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
Mandehana amin’ ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo !
Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra !
- Feon – java - maneno firavana