Friday, 01, Dec, 7:59 PM

 ALAHADY 12 NOVAMBRA 2023

Feon-java-maneno


FANATREHANA & FIDERANA NY TOMPO

Salamo 63 

Hira :   226 ("Tompo ô! Mba te hihaona")

Tompo ô, mba te hihaona
Aminao ny olonao,
Ka ny oran-dohataona
Ampombay ny teninao !
Ny Fanahinao iraho
Aminay izay mitalaho !
:,: Mba vokiso zava-tsoa
Ny mangetaheta Anao ! :,: 

Vavaka - Feon-java-maneno fohy 

SITRAPON’ ANDRIAMANITRA 

Mpitarika :   (Vavaka fifonana)

Fiangonana :   « Ry Rainay be Famindram-po ô, mitalaho aminao izahay ; Mamelà ny helokay ; Diovy izahay ho afa-pahotana ; Sasao izahay ho afa-keloka ; Ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny fitiavan’i jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »

Hira:   Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay ! 
Ry Jesoa  Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay ! 
Ry Fanahy Masina Tomponay  Mpampionona ô, mamindrà fo aminay ! 

Mpitarika :   (Teny famelan – keloka)

Fiangonana :   Amen 

Mpitarika :   Voninahitra any amin’ny Avo  indrindra ho an’Andriamanitra

Fiangonana :   Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany. 

Hira :   4 and. 2, 4 ("Mamy ny fitianao")

2. Mamy ny fitianao,
Mahafaly fo tokoa
Izahay avelanao
Mba hibebaka avokoa !
Lasa lavitra izahay
Nefa notadiavinao ;
Efa ratsy izahay
Nefa tsy nafoinao !

4. Mamy re, ry Tomponay
Izao fitianao izao,
Ka indreto izahay
Avy mba hisaotra Anao ;
Raiso re izao saotra izao
Fa fanati-tsitrapo,
Tsy mba mendrika ho Anao
Nefa vokatry ny fo !  

Feon-java-maneno fohy 

Hira :   177 and. 1,4 ("Ry Fanahy mpanazava")

1.Ry Fanahy mpanazava,
Mitariha anay izao
Hianaranay ny Teny
Zay nampanoratinao !
:.: Dia hifaly
Izahay tarihinao:.:

4. Ry Fanahy mpanazava,
Ny Baiboly taminao
Dia fanilo sady toky
Hanatonanay Anao ;
:,: Mba tsilovy
‘Zay miankina aminao ! :,: 

Mpitarika :   Ho aminareo anie ny Tompo

Fiangonana :   Ary ho amin’ny fanahinao

Mpitarika :   Vavaka noho ny Teny 

TESTAMENTA TALOHA : Ohabolana 8. 12-20, 32-36

12 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava. 13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. 14 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana*; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena fahendrena]15 Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;16 Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. 18 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. 19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina. 20 Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,

32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; 33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. 34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. 35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah; 36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.  

EPISTILY : I Tesaloniana 4. 13-18

13 [Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. 14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] 15 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. 16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; 17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. 18 Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.  

FILAZANTSARA : Matio 25. 1-13

1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany* ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.[*Na: fanilony] 2 Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. 3 Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[*Na: fanilony] 4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany*.[*Na: fanilony] 5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. 6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. 7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany*.[*Na: fanilony] 8 Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay*.[*Na: fanilonay] 9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. 10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. 11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. 12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. 13 Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. 

Fiangonana :   “Ray masina O! Manamasina anay amin'ny Fahamarinana, Fa ny Teninao no Fahamarinana. Amena” 

FANEKEM-PINOANA 

Hira :   650 and. 1, 2 (“Miambena mivavaha")

1. Miambena mivavaha, fa tsy fantatrao
Na ny andro, na ny ora fe-potoanao;
Ny Mpanjaka masina ho tonga tampoka
Hampaneno ny trompetra ao andrahona.

2. Amboary ny fanilon’ny finoana
Sy ny solika fitaiza voaomana,
Ka velomy re ny afom-pitiavana,
Mba hidiranao an-dapam-pifaliana. 

TORITENY

Feon-java-maneno fohy

Antolo Mpihira

Filazan-draharaha

Rakitra 

Hira :   351, zava-maneno 

Fanolorana :   Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an - tsitrapo
Atolotray Anao izao;
Mba raiso ka tahionao, Amena. 

Vavaka fisaorana & fangatahana

 Hira :   332 (“Finaritra ny olonao”)

1. Finaritra ny olonao
Jesosy Tompo ô,
Fa manana ny aim-baovao
Ka ravo eram-po !
Ny famonjena vitanao
Dia efa voaray izao,
Ny fifaliany aty
Hitohy hatrary !

2. Izaho va Jesosy ô,
Mba isan’ny Anao ?
Ny solika fitaizako
Moa misy va izao ?
Hevero ry fanahiko,
Ka aza mety afa-po
Ambara-pahafantatrao
Fa Jeso no anao !

Mpitarika :   Tsodrano
(mipetraka ny Fiangonana) 

Mpitarika :   Voninahitra ho an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary  Fanahy Masina  izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Mandehana amin’ ny  fiadanana, ka manompoa ny  Tompo !

Fiangonana :   Isaorana anie Andriamanitra ! 

Feon-java-maneno  fohy

 

FPMA PARIS


 Eglise Protestante Malgache en France, Paroisse de Paris.


   Phone:   +33 6 50 24 32 34

   Address:  Temple de la Rédemption 16, rue Chauchat 75009 Paris

   Email:  news@fpma-paris.org

NEWS FPMA

DIVERS SAMIHAFA

CONTACT FIFANDRAISANA