lundi, 28, Nov, 12:54 PM

Retrouvez ici toutes les annonces de l'église 

- Ny alatsinainy ka hatramin’ny alakamisy amin'ny 7 ora hariva ka hatramin'ny 8 ora latsaka dia mbola hentanina isika rehetra tsy ankanavaka hanatrika ny fotoam-bavaka amin’ny alalan’ny zoom.
- Ny zoma moa dia ny Finoana sy vavaka eto antranom-piangonana amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny valo ora alina ihany.
- Ny fotoana amin'ny alahady heriny moa dia manomboka amin'ny 10 ora sy sasany toy ny mahazatra.

CATECHUMENE ANNEE 2022-2023

 

Pour cette année écclesiastique 2022-2023, les cours débuteront en Novembre.

Vaovan'ny Sampana :

 

SAMPANA SEKOLY ALAHADY

Nohon'ny fialan-tsatra dia miato ny fampianarana Sekoly alahady ho an'ireo zanatsika ny alahady 30 oktobra toy izany koa  ny famerenana ny fetin'ny Noely.
Ny alahady 6 novambra  amin'ny 9 ora sy sasany  ny fanohizana ny fampianarana ary ny tolak'andro amin'ny 2 ora sy fahefany ny fikarakarana ny fetin'ny Noely.
Ny tenue hanaovan'ny ankizy mandritry ny fetin'ny Noelin'ny dia :
- ny ankizy lahy: fotsy ambony, pataloha mainty na bleu marine
- ny ankizy vavy: fotsy ranoray  

SAMPANA TILY

Ny Sampana Tily Paris 1 dia hanatanteraka ny fivoriambe fanao isantaona (Assemblée Générale) ny sabotsy 12 novambra 2022 manomboka @ 3 ora tolakandro eny @ 7 rue Jean Nicot 75007 Paris.
Manasa ny RAD, ny mpanabe sy ireo Beazina rehetra hanatrika izany.
Hitondra ambavaka izany fotoana izany isika.
Mangataka ny Fiangonana ihany koa mba ahatsiaro ambavaka ny lasin’ireo mpanabe sy beazina ny zoma 28 octobre hariva ka hatramin’ny Alahady 30 octobre 2022.

SAMPANA VEHIVAVY KRISTIANA

"Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko ; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany Masina." Salamo 103 : 1
Misaotra sy midera an'Andriamanitra lehibe isika fa vita sy tontosa soa aman-tsara ny AINGA  2022 fitoriana ny filazantsara tamin'ny alalan'ny rindran-kira aram-pilazantsara nokarakarain'ny sampana  vehivavy kristianina tamin'ny asabotsy 15 Ocobre teo.
Manantitra ny fisaorana sy fankasitrahana feno antsika rehetra izay nandray anjara sy isika fiangonana manontolo izay namaly ny antso ka tonga nanotrona nahafoy fotoana nanatrika izany fotoana izany ary indrindra ihany koa tamin'ny fitondrana am-bavaka nataonareo. Ilay Andriamanitra fitiavana manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia sy soa anareo. "Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany" Heb 6:10

SAMPANA FIFOHAZANA

Misy hatrany ny asa sy fampaherezana tanterahin'ny Sampana ny asabotsy izao manomboka amin'ny @ 3 ora sy sasany tolak'andro eto ampiangonantsika.

  FPMA

 Eglise Protestante Malgache en France. Paroisse de Paris


   Phone:   +33 06 01 72 13 89

   Siège:  47, rue de Clichy 75009 Paris 

   Lieu de culte:  Temple de la Rédemption 16 rue Chauchat 75009 Paris

ANNONCES PROJECTION

FPMA PARIS

PARIS NEWSLETTER

Inscrivez-vous si vous souhaitez recevoir nos newsletters

Paramétrages de cookies

×

Cookies fonctionnels

Ce site utilise des cookies pour assurer son bon fonctionnement et ne peuvent pas être désactivés de nos systèmes. Nous ne les utilisons pas à des fins publicitaires. Si ces cookies sont bloqués, certaines parties du site ne pourront pas fonctionner.

Mesure d'audience

Ce site utilise des cookies de mesure et d’analyse d’audience, tels que Google Analytics et Google Ads, afin d’évaluer et d’améliorer notre site internet.

Contenus interactifs

Ce site utilise des composants tiers, tels que NotAllowedScript6384a18d70c18ReCAPTCHA, Google NotAllowedScript6384a18d70a48Maps, MailChimp ou Calameo, qui peuvent déposer des cookies sur votre machine. Si vous décider de bloquer un composant, le contenu ne s’affichera pas

Session

Veuillez vous connecter pour voir vos activités!

Autres cookies

Ce site web utilise un certain nombre de cookies pour gérer, par exemple, les sessions utilisateurs.